Tapatapany

Fanabeazana katôlika

Foana indray ireo datim-panadinana Cepe sy Bepc ary Bakalorea ho an’ny fanabeazana Katôlika, izay navoakan’ny Fitaleavana dioseziana misahana ny sekoly katôlika eto Antananarivo na Didec, noho ireo fepetra vaovao noraisin’ny fitondram-panjakana ao anatin’izao fiverenana amin’ny fihibohana izao. Tsiahivina fa saika hatao amin’ny 14 sy 15 jolay ny Cepe, amin’ny 20 sy 28 jolay ny Bepc ary amin’ny 27 jolay hatramin’ny 4 aogositra ny Bakalôrea ho an’ny fanabeazana katôlika. Hisy ny famoahana daty vaovao miankina amin’ny fivoaran’ny valanaretina Covid-19.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra