Zavakanto

Vakoka Haverina amin’ny lanjany izay sisa tsy may teny Manjakamiadana

Ho voakasiky amin’ny famerenana ny hasin’ny Rovan’ i Manjakamiadana ireo fitaovana sisa tsy may tamin’ny taona 1995 izay haranty etsy amin’ny lapan’Andafiavaratra. Misy ny fanofanana ireo mpitantana mozea amin’ny 11 hatramin’ny 21 jona ho avy izao, amin’ny alalan’ny fiaraha- miasan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ny sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny kolontsaina sy ny vakoka (Unesco), ny fikambanana maneran-tany ho an’ny Mozèa eto Madagasikara (Icom-Madagascar) ary ny ivon-toerana maneran-tany handalinana ny fiarovana sy famerenana amin’ny endriny teo aloha an’ireo harena ara-kolontsaina (Iccrom). Ny Masoivohon’i Japana kosa no manohana azy.

Tafiditra anatin’ny tetikasa « Re-Org » ny fanofanana ireo mpitantana mozea miisa enina amby roapolo avy amin’ ireo mozea roa ambin’ny folo manerana ny Nosy, na miankina na tsia. « Hisy ny fampianarana ny teknika rehetra hiarovana ireo vakoka manan-tantara mba tsy ho tototry ny vovoka sy ho simban’ny fotoana », hoy i Bako Rasoarifetra, filohan’ny Icom-Madagascar. Manam-pahaizana manokana momba an’i Madagasikara avy amin’ ny Iccrom ary ampian’ireo manampahaizana avy amin’ny Icom-Madagascar no hisahana ny fanofanana.

Volasoa Randriamanantena