Tranga samihafa

Razana tao anaty rano Feno ratra ny tarehin’ilay lehilahy hita tao Ikopa

Saika tsy fantatra ny mombamomba ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa, afak’omaly. Nahitana ratra teo amin’ny tarehiny sady nisy simba.

Ahiana ho nisy namono izy vao nalatsaka tao anaty rano. Manao ny famotorana ny zandarimaria eny Alasora.

“Tokony tamin’ny 11 ora antoandro no nisy nampandre ny fisian’io razana, teny Ikopa, io izahay. Nidina teny izahay niaraka tamin’ny mpitsabo lehiben’ny Csb II eto Alasora. Ny vokatry ny famotorana no mety hahafantarana na nisy namono io olona io na nianjera dia naratra”, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny Zandarimaria eny an-toerana. 22 taona ity lehilahy namoy ny ainy ity ary efa fantatry ny fianakaviany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra