Raharaham-pirenena

Fandosirana gadra Noesorina sady miatrika famotorana ny lehiben’ny fonja iray

Nandraisan’ny minisite­ran’ny Fitsarana fepetra avy hatrany ny lehiben’ny fonja, tany Ejeda, taorian’ny fando­siran’ireo gadra miisa roa tany an-toerana, andro maro lasa izay. Sady noesorina amin’ny toerany io tompon’andrai­kitra io no miatrika ny famotoran’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly.

Raha tsiahivina dia tonga tany Ejeda ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fonja ao Atsimo Andrefana nikasa haka gadra roa lahy voahe­loka higadra mandra-pahafaty mba hoentina hafindra eny Tsiafahy. “Tokony ho tamin’ny 3 ora hariva ilay tompon’andraikitra no nigadona taty aminay. Ny alin’io anefa no voalaza fa tafatsoaka ireo gadra saika halainy ireo. Misy ny filazana fikarohana azy ireo miparitaka saingy hatramin’izao tsy mbola nisy vokany”, hoy ny loharanom-baovao avy any Ejeda. Fantatra ihany koa fa manara-maso akaiky ny fonja eny Tsiafahy, izay misy ireo olona heverina ho nahavita heloka bevava isan-karazany ny minisiteran’ny Fitsarana. Misy mihitsy ny fidinan’ny minisitry ny Fitsarana tampoka eny an-toerana mijery ny zava-misy, hoy hatrany ny loharanom-baovao.