Raharaham-pirenena

Antenimierandoholona Mikatso amin’ny ampahany ny asa noho fihenan’ny tetibola

Manao valim-panafihana ny filohan’ny Antenimieran­doholona manoloana ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana tamin’ity andrimpanjakana ity. « Atao fahirano ny Antenimierandoholona », hoy Rakotovao Rivo, raha nivahiny tao amin’ny onjam-peon’ny Radio Antsiva, omaly. Tamin’ny fanitsiana ny Tetibolam-panjakana 2019 no nampihenana tamin’ ny ampahany betsaka ny tetibolan’izy ireo, ka voalazany fa mampikatso ny ankamaroan’ireo asa azon’ireo loholona tanterahina. Nambaran-dRakotovao Rivo, ohatra, fa nofoanana ny fahazoana taratasin-tsolika sy ny ankamaroan’ireo tetibola mifantoka amin’ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpiasa miisa eninjato ao amin’ny Antenimierandoholona. “Tsy hahafahan’ izy ireo mihetsika sy manao ny asany izany”, hoy hatrany izy.