Raharaham-pirenena Tapatapany

Fisokafan’ny fiangonana 

Nanomboka, tamin’ny alatsinainy teo, no nanokatra an’ireo fiangonana ao aminy ny Arsidiosezin’ny finoana katôlika any amin’ny faritanin’Antsiranana, taorian’ny toromarika nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Voafetra ho adiny iray ihany ny faharetan’ny fotoam-bavaka isaky ny fiangonana any an-toerana. Misy ihany koa ny famendrahana fanafody famonoana tsimok’aretina isaky ny fiangonana mialohan’ny fotoam-bavaka.