Tapatapany Tranga samihafa

Fahatrarana jiolahy

Nahitam-bokany ny fikarohana nataon’ny polisy tamin’ny raharaha fanafihan-jiolahy tao amina trano iray, tany Ankirihiry Toamasina, tamin’ny 18 avrily lasa teo, ka nahaverezana vola roapolo tapitrisa ariary niaraka tamin’ny finday sy entana hafa. Voasambotra ny olona iraika ambin’ny folo voarohirohy. Nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’ny fanafihana izy ireo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra