Tranga samihafa

Fivarinana tamin’ny hantsana Kamiao feno vokatra namono olona telo

Nivarina tany anaty hantsana, tany Ambatofolaka Miarinarivo, amin’ny lalam-pirenena voalohany ny kamiao iray feno vokatra avy any Tsiroanomandidy nikasa hiakatra aty an-drenivohitra, afak’omaly. Namoy ny ainy avokoa ny mpamily, ny mpanampy azy sy ny mpanofa ny fiara.

Tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, raha ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana any Miarinarivo, izay nijery ifotony ny zava-nisy tany an-toerana. Nisy tamin’ireo razana no voalaza fa voatsindrin’ny entana. Ilay mpamily kosa namoy ny ainy noho ny dona mafy nahazo azy.

Kamiao an’ny mpivarotra monina etsy Anosibe tsena ity niharam-boina. Lehilahy, 31 taona, monina any Ambavahady Anosy-Tsiroanomandidy, kosa iry mpamily ny fiarabe, ary zaodahin’ny tompon’ny kamiao ihany ilay mpanofa ny fiarabe. Lehilahy monina any Manalalondo indray iry mpanampy ny mpamily, izay fahatelo tamin’ireo nindaosin’ny fahafatesana.