Hanao fianianana, etsy amin’ny lapan’Ambohidahy ireo mpikambana sivy vaovao handray toerana eo anivon’ ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC), rahampitso. Hiroso amin’ny fifidianana an’izay ho filohan’ity andrimpanjakana ity izy ireo, aorian’izay. Loharanom-baovao iray no nahalalana fa tsara toerana handray ny fitantanana ny HCC ireo mpitsara zokiolona sy manana grady ambony. « Tombony amin’ ny fahafahana hofidiana eo amin’ io toerana io ny fananana traikefa sy ny toerana efa nisy azy », hoy ny loharanom- baovao.
Isan’ireo voatonona matetika ny anaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana teo aloha, Rakotoarisoa Florent. Sokajiana amin’ireo olona akaikin’ny Filohan’ny Repoblika izy satria efa mpanolotsaina avo tao amin’io andrimpanjakana etsy Ambohidahy io.
Tsy misy fe-potoana raikitra voafaritry ny lalàna ny fanatontosana ny fifidianana ny filohan’ny HCC. Miankina amin’ireo mpikambana ihany ny famaritana ny daty hanatanterahana an’izany. Toy izany koa ny fanatontosana ny famindram-pahefana eo amin’ ny filoha vaovao sy ny filoha teo aloha. « Tsy voatery hatao amin’ny fomba ofisialy kosa anefa io », araka ny fanampim-panazavana avy amin’ ny loharanom-baovao.
Hanome hevitra