Samihafa

Fepetra ara-pahasalamana Mikatona dimy ambin’ny folo andro ny Tranombokim-pirenena

Mihidy mandritra ny dimy ambin’ny folo andro ny Tranombokim-pirenena, etsy Ampefiloha, araka ny fanapahan-kevitra norasin’izy ireo hoentina manaraka ny fepetra nolazain’ny Filohan’ ny Repoblika, tamin’ny sabotsy lasa teo. “Manadio, mamerina ny fandaminana ny boky, nanomana fitsipika anatiny ho amin’izay ho avy manaraka eo izao no ataonay », hoy Raonison Njaka, tale mpitantana ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Ankoatra izay, nofoanana avokoa ireo hetsika ara-kolontsaina mandritra an’ity volana avrily ity.

Fanafoanana hetsika

Ankoatra izay samy manana ny fomba hoentiny miady amin’ny tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 avokoa ireo ivon-toerana fandraisana lanonana sy hetsika ara-kolontsaina eto Antananarivo. Ho an’ny Cercle Germano-Malagasy na CGM-GZ Analakely, efa tamin’ny kabary voalohany nataon’ny ny Filohan’ ny Repoblika no tsy nandray hetsika ara-kolontsaina  izy ireo fa nafindra tany amin’ny toerana malalaka izany. Vao tsy ela akory anefa no nofoanana ihany koa ny hetsika arakolontsaina vokarin’ny CGMGZ, rehetra na ivelan’ny ivontoerana aza. Ankehitriny fantatra fa miato mandritra ny dimy ambin’ny folo andro ihany koa ny fampianarana.

Na izany aza, misy ireo ivon-toerana izay mahita paikady manokana handraisana an’ireo mpitsidika sy ireo hetsika ara-kolontsaina. Isan’ izany ny Institut Français de Madagascar IFM Analakely izay mamokatra seho hifanatrehan-tava ihany saingy tsy mihoatra ny dimampolo ireo mpijery. Ho an’ny famakiana sy findramana boky kosa dia nanana safidy roa ny rehetra. Na tonga eny an-toerana saingy voafetra ny fotoana hijanonany ao, na mamandrika ny boky an-tambajotra. Torak’ izay ihany koa ny etsy amin’ ny Alliance française an’Antananarivo Aft Andavamamba.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao