Tranga samihafa

Famoronana fanafihana Mpitazona “cash point” nangalatra vola 4 200 000 ariary

Namitaka ny mpampiasa azy tamin’ny filazana fisiana fanafihana ny lehilahy mpiasa amin’ny “cash point” na irony toerana fikirakirana vola amin’ny finday irony, teny 67Ha Atsimo, tamin’ny zoma lasa teo. Sarona ny vola 4  200  000 ariary nalainy. Voasambotra ihany koa ny lehilahy roa mpiray tsikombakomba taminy. Hatolotra ny Fitsarana izy telo lahy, 22 sy 24 ary 25 taona, samy voarohirohy, aorian’ny famotorana. “Naharay antso avy tamin’ny mpanampiny ny olona tompona cash point. Nilaza fa voatafika ilay lehilahy ka very ny vola 6 200 000 ariary sy ny finday nampiasaina ary naratra mafy ny tarehiny. Nampandre ny polisy ny mpampiasa. Voamarina anefa fa tsy nisy akory ny fanafihana ary ilay mpiasa ihany no nangalatra ny vola. Napetrany tany amin’ny namany roa lahy teny Ampitatafika ny vola sy finday halatra. Hita tany ny 4 200 000ariary”, hoy ny polisy.