Samihafa

Fahasalamana mpanakanto Nandalovan’ny Covid-19 ihany koa i Bodo

Isan’ny mpanakanto tia mifandray amin’ny mpankafy. Mijoro vavolombelona tao anatin’ny tambajotran-tserasera sosialy Facebook, tamin’ny nisedrany ny fandalovan’ny valanaretina Covid-19 taminy i Bodo. “Mafy ny sedra,saika ratsy iny”, hoy izy. Ankoatra ny famahavahana ny fiantraikan’ny aretina sy ny fomba nitsaboany tena, dia manafatrafatra ny amin’ny hitandremana hatrany izy. “Mitandrema ary araho an-tsakany sy an-davany ny fepetra fiarovana rehetra, eny fa na ny kely indrindra aza”, hoy i Bodo. Hatramin’izao tsy fantatr’ity mpanakanto ity ny mety nahazoany an’io aterina io. “Voan’ny gripa no niatombohan’ilay aretina. Efa nihinana fanafody aho. Nikohaka nandritra ny alina iray fotsiny avy eo ary navoakan’ny « scaner » avy eo fa efa voa eo amin’ny 15 hatramin’ny  20 isanjato ny taovam-pisefoako”, hoy izy manazava.

Mbola nanatanteraka seho tany Fianarantsoa ny andriambavilanitra talohan ‘ny nahavoa azy. Haingana dia haingana ny fivoaran’ny valanaretina ka roa andro monja tao aorian’ny fitarafana voalohany natao dia efa nitombo ho 40% sahady no voa tamin’ny taovam-pisefoany.  Niditra hopitaly izy ary fanafody tsy toko tsy forohana no nampiasaina tamin’izany. “Efa diso miparitaka tao amiko ny valanaretina ka tsy maintsy nampiakarina avokoa ny fatran’ny fanafody nampiasaina tamiko”, hoy hatrany i Bodo. Ny fanafody iray fotsiny moa no efa nahatratra 56 000 ariary, izay tsy maintsy nampiasaina nandritra ny efatra andro. Na izany aza midera ny fahaiza-manao sy ny fahavononan’ireo mpitsabo izy teo amin’ny fitsaboana an’ireo marary rehetra eny amin’ny hopitaly eny. Efa salama ity mpanakanto ity ankehitriny fa mbola malemilemy ka tsy afaka miatrika tanteraka ny fiainana andavanandro aloha noho ny harerahana. Na izany aza, miezaka ny mamorona izy na eo amin’ny kisarisary sy hosodoko na eo amin’ny hira.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra