Tranga samihafa

Dobo an-drano tany Vatomandry Hita ny razana faninefany natelin’ny ranomasina

Hita ny vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray, manodidina ny 25 taona, naman’ireo zatovo telo: 16, 17 ary 20 taona, maty natelin’ny ranomasina, tany Ambila Lemaitso Brickaville, afak’omaly tolakandro.

Tany amin’ny fito ambin’ny folo kilaometatra miala ny toerana nilentehany no nisian’ny razana, omaly antoandro. Tafakatra efatra, araka izany, ny isan’ireo olona namoy ny ainy tamin’ity voina niseho tany Brickaville ity. Fantatra fa vokatry ny fifamonjena tao anaty rano no nitera-doza tamin’ireto andiana tanora ireto.

“Ankizy avy any an-drenivohitra namonjy fialan-tsasatra niaraka tamin’ny fianakaviany ireo niharam-boina. Nilalao teo amoron-dranomasina izy ireo no nahatazana ankizy lasa teny afovoan-drano. Nandeha namonjy azy ny ankizivavy roa. Avotra ilay zaza saingy izy roa vavy indray no nilentika. Nihazakazaka hanavotra ihany koa ny tovolahy telo. Namoy ny ainy ny iray tamin’iretsy farany raha tafavoaka velona kosa ny iray. Ny ampitso (Naotin’ny fanoratana: omaly) vao hita ny tovolahy fahatelo”, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary nanao ny fanadihadiana tany an-toerana.

Natolotra ny fianakaviana ireo vatana mangatsiaka, taorian’ny fitsirihana natao.