Fanatanjahantena

Fanabokonana hozatra Voaasa ho any Afrika Atsimo i Hoby Rabakoarisoa

Nahazo fanasana ho any Afrika Atsimo, hiatrika ny fifaninanana kaontinantaly ho an’ny fanabonkonana hozatra na ny “Musclemania Africa natural championships”, i Hoby Rabakoarisoa. Izy no tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny “Body fitness” sy ny “miss bikini” farany teo. Ho tanterahina amin’ny 29 aogositra ho avy izao any Johannesburg (Afrika Atsimo) ny hetsika handraisany anjara.

“Niantso ahy ny tompon’andraikitra iray mpikarakara ny fifaninanana. Nilaza tamiko izy raha vonona ny handray anjara amin’ny andiany 2020 amin’io hetsika io aho”, hoy i Hoby Rabakoarisoa. solontena malagasy amin’ny “Musclemania Africa”. “Nanome safidy ahy izy amin’ireo sokajy hifaninanana ka ny “figure division”, izay mitovy amin’ny “Body fitness” no mety amiko”, hoy hatrany i Hoby, momba an’ity fivoahana voalohany any ivelany ho azy ity. Na izany aza anefa dia misedra olana eo amin’ny fanomanan-tena i Hoby Rabakoarisoa. “Miahiahy amin’ny mety ho vokatr’ity tsy fahafahana manao fanazarantena ivelany ity aho. Ato an-trano hatrany no miezaka manao izay azoko atao aho. Isan’ny mampanahy ihany koa ny eo amin’ny sakafo, izay tsy maintsy manaraka ny fepetra hoentina manabe hozatra”, hoy ity atletan’ny Big Boys, avy eny Ambodimita ity. Efa nahazoantsika anaram-boninahitra iray ny “Musclemania Africa” tamin’ny fotoana nahavoahosotra an’i Fitiavana Mickael.