Kolontsaina

Feon-kira am-bava Hasaina hanolotra seho ny mpandresin’ny « Beatbox battle »

Tsy fahita firy. Hanolotra fampisehoana rano iray ireo mpahay feon-kira am-bava, amin’ny 15 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Cercle Germano malagasy (CGM/Gz) Analakely.  Handray anjara amin’izany ireo tanora vao misandratra sy ireo mpandresin’ny fifaninanana  « Beatbox Battle », vao avy notanterahina tamin’ny volana aogositra 2019 tetsy amin’ny CRAAM Ankatso. Ilay mpahay feon-kira am-bava, Do B sy ny Beatbox Madagasikara no mifarimbona amin’ny fanatontosana hahatontosana ity seho ity.

Matetika no miaraka amina seho hafa foana ireo mpahay feon-kira am-bava. Ny fiarahana eny ambony lampihazo amin’ny « Acapella » no hahitana azy ireo. Io sehatra io rahateo no manome vahana azy satria ny iray fihirana tsy misy feon-kira ary ny iray feon-kira am-bava. Hatramin’ny nidiran’ity kolontsaina ity teto Madagasikara, dia tsy mbola nanana sehatra malalaka hivelarany izy.

Hasehon-dry Do Be, Feo, King of Voice, CTS, Andry, Moignon, Mihaja, Iriantsoa ry Fitahiana fa afaka misehatra mitokana tsara mihitsy ny mpahay feon-kira am-bava. Hirindra toy ny fampisehoana mahazatra ny besinimaro izany.  Tanjona ny hanomezana lanja ny « beatbox » eto Madagasikara.