Sosialy Tapatapany

Fiofanan’ny Cnaps

Hifarana, anio, rehefa nanomboka afak’omaly ny fivorian’ireo tale ara-bola avy amin’ny masoivohon’ ny Tahirim-pirenena ho an’ ny fiahiana sôsialy (Cnaps) manerana ny Nosy. Manodidina ny efatra amby dimampolo ireo mpandray anjara, nahitana ny talen’ny vola eny anivon’ ny masoivoho sy ny tendron’ ny Tahirim-pirenena, miampy ireo mpiasa izay azo tendrena ho mpisolo toerana, ary ny mpiasa manao kajy.