Faritra Tapatapany

Fahatrarana sambo

Nifarana, omaly, ny famotorana rehetra natao tamin’ireo tantsambo miisa dimy ambin’ny folo tao amin’ilay sambo « Flying » tra-tehaky ny mpitandro filaminana, tany Cap Masoala, ny 24 desambra 2018. Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy any Toamasina avokoa izy ireo, izay ahitana Sinoa, Pakistaney ary Tailandey. Tifitra variraka no nanaraka ny fanenjehana an’ity sambo ity. Nisy ireo Sinoa naratra. Voampanga ho jiolahin-tsambo izy ireo sady voalaza fa mpanondrana andramena, efa hatramin’ny taona 2015.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra