Raharaham-pirenena Tapatapany

Tsy milavo lefona

Milaza ny mbola hametraka fitoriana momba ny raharaham-pifidinana eo amin’ireo manampahefana hatrany ireo kandidà am-polony manohitra ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena amin’izao endriny ankehitriny izao. Araka ny fantatra dia niampy ny porofo eo am-pelantanan’izy ireo hahafahana mitaky ny fanemorana an’ity fifidianana ity. Isan’izany, ohatra, ny voalaza fa fividianana antontan-taratasy maromaro miendrika firaketana ny voka-pifidianana. Eo ihany koa ny kara-pifidianana sy biletà tokana hosoka.