Tranga samihafa

TSINDRON’ANTSY Tratra ireo namono mpianatry ny oniversite

Lehilahy roa sy ankizilahy roa, izay samy tsy ampy taona, ary vehivavy roa no voarohirohy tamin’ny fahafatesana tovolahy mpianatry ny oniversite tany Mahajanga, tapa-bolana lasa izay. Tsindron’antsy no nitarika ny fahafatesan’ ilay tovolahy.

Voatondro ho nandray anjara mivantana tamin’izany ny sasany amin’ireto voasambotra. Niray tsikombakomba ny hafa. Voalaza fa nampiantrano sy nanafina azy ireo kosa ireo vehivavy roa.

Nanao ny fanadihadiana ny pôlisy any Mahajanga, rehefa naheno trangana fanendahana niharo tsindron’ antsy nahafatesana olona tany Ampisikina, ny harivan’ny alahady 21 oktobra. Mpianatra no lasibatra. Niaraka tamin’ ny namany ny tovolahy iray, tamin’io hariva io. Andiana tovolahy miisa enina no fantatra fa nanendaka sy namono azy tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy. Voaroba ny finday. Nialana nenina teny amin’ny hôpitaly ity lasibatra saingy tsy avotra intsony ny ainy.