Kolontsaina

SEHATRA IRAISAM-PIRENENA Namiratra tany Afrika ny Malagasy nandritra ny SIAO

Nifarana ny alahady lasa teo « Salon International de l’Artisanat de Ouagadougou » na ny SIAO 2018 natao tany Burkinafaso. Tamin’ny andro voalohany dia efa hita fa namiratra ny Malagasy satria ny solontenantsika irery ihany no nahazo tontolo andro manokana entina hanehoana ny hakanton’i Madagasikara amin’ny alalan’ny asa tanana, zavakanto ary kolontsaina izay isan’ny mahasarika ireo firenena hafa aminy maro.

Tranoheva dimy ambin’ny folo no nahitana ireo vokatra malagasy tany an-toerana izay misy ny asa tanana vita amin’ny rofia, vy, rary, lamba, ny fitafiana, harona, satroka, paoketra sy ny maro hafa koa. Azo lazaina fa nandeha tokoa ny tsenan’ny Malagasy satria dia nahasarika ireo vahiny ny vokatra, ka tsy nandalo fotsiny tamin’ny
tranoheva izy ireo fa dia samy nitondra nody avokoa. Nahavelom-bolo ary manandratra an’i Madagasikara sy manamafy ny fiaraha-mientana sy fifandraisana amin’ireo firenena afrikanina ny hetsika SIAO.