Raharaham-pirenena Tapatapany

Nahazo dera

Tonga nitsidika ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, Rakotovao Rivo, teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra i Abdoulaye Bathily, mpanolotsaina manokan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Antonio Guterres. Nifototra tamin’ny tombana manodidina ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena ny dinika. Taorian’izany dia nilaza ny fahafaham-pony tamin’ ny ezaka notanterahin’ny fitondram-panjakana malagasy tamin’ny fanomanana an’ity fifidianana ity i Abdoulaye Bathily. Miandrandra ny hisian’ny fifidianana ao anatin’ ny fitoniana ny tenany.