Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Mibaby kitra

Mahakely finoana ny fiovam-pitantanana raha mahare ny disadisa manodidina ny fifidianana an’ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja baolina kitra (FMF). Tena tarazo amin’ny fiainam-pirenen’ilay Madagasikara mihitsy, manomboka amin’ny fifidianana filoham-pirenena, fifidianana filoham-pikambanana, hatrany amin’ny fifidianana any am-piangonana. Efa toetra sy fomba ratsy ifandovàna. Lomorina ifakana tahaka. Hanantena inona amin’izay fanovàna eo amin’ny taranja baolina kitra? Ny firenena aza ity moa… mampangidy rora ny mamisavisa an’izay ho avy rahampitso ! Fa dia mihemo-dava ilay fifidianana ao amin’ny FMF. Soa fa tsy hitan’ireo kandidà sasany tsy mankasitraka ny datim-pifidianana filoham-pirenena rahampitso ny fikafikan’ireo mpiray tendro amin’izao fahatongavana amin’ny fanemorana ny datim-pifidianana ho an’ny FMF izao. Asa na maika tsy faingana ireo mpankafy baolina kitra manao tsindry amin’ny fanafainganana ny fahavitan’io fifidianana io, na haharitra ho vadin’andriana. Mandeha daholo ny tsikera isan-karazany. Tsy misy afa-tsy kiana satria manjavozavo sy be pôlitika loatra. Raha ny fanazavana azo aloha dia tsy tokony hisy fiantraikany amin’izay fahatafitan’ny ekipam-pirenentsika amin’ny dingana famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (CAN) hatao amin’ny taona ho avy ity savorovorom-pifidianana ao amin’ny FMF ity. Soa ihany, soa ihany! Fa dia mafilotra sy mampilendalenda loatra ny fikatsahana an’ilay seza ao amin’ny FMF. Raha tena hanova moa ve, hoy aho, ka maninona! Raha hahasoa ve, hoy aho, moa tsy izay no irina? Saingy mahakivy ny fandrenesana an’ireto hoe filohan’ny ligy mpifidy nizarazara etsy sy eroa, ka ny sasany manaraka an-dranona, ny hafa manaraka an’iretsy. Izaroa nidongy tsy nipoitra, ry tery niventy ny “izao dia izao”. Ampitahao amin’ny firenentsika e! Tokony hanomboka amin’itony karazam-pifidianana tsy ilàna fironana pôlitika toy ny amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena itony anefa ny fiovam-pamindra. Sanatria, ho teraka eo ihany izay ekipa vaovao, saingy mbola hibaby kitra indray…