Kolontsaina

KOLONTSAINA AN-TANAN-DEHIBE Nampivondrona talenta maro ny “Festival d’Art Urbain”

Nofaranana tamin’ny fomba makotrokotroka, tetsy amin’ny zaridainan’Andohalo, tamin’ny sabotsy teo, ny andiany fahadimy amin’ilay hetsika “Festival d’Art Urbain”. Mpanan-talenta maro no nifandrimbona tao anatin’izay tapa-bolana mahery izay.

Maro ireo toerana voaravaka sy nahazo loko vaovao raha tsy hitanisa ankoatra ny rindrina etsy Ampasanimalo, sekoly eny Ankadifotsy… Lanonan’ny mpianakavy kosa ny teny Andohalo satria nandravaka sy nanafana an-kira ny teny an-toerana mandritra io fotoana ry Olo Blacky, Basy Gasy… Ankoatra izay, hita teny ihany koa ireo kolontsaina vahiny izay efa mahazo vahana eto amintsika, toy ny “Parkour”, dihy an-tanàn-dehibe, slam, fampandihizana goavana, ny “Graffiti”…

Tsy nohadinoina ihany koa anefa ireo karazana fampirantiana manodidina izany kolontsaina an-tanàn-dehibe izany, niarahana tamin’ireo mpanakanto maro samihafa. Tratra, araka izany, ny tanjona dia ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-java-kanto sy teknika eo amin’ny samy mpanakanto, izay antom-pisian’ny hetsika “Festival d’Art Urbain”.

Raha tsiahivina niarahan’ny vahiny sy mpiara-miasa maro ity hetsika ity ka anisan’ny nanohana akaiky ny hetsika ny orinasa “ANT Mobility Grant” sy ny Swiss Agency for development and Coopération” fa indrindra ihany koa ny Fiat, izay mpanokatra fiara vita avy any Italia tsy zoviana amintsika intsony..