Tranga samihafa

HERISETRA Mpiandry fonja voasambotra tamin’ny faharatrana ben’ny tanàna

Nitrangana sahotaka tany Ramena any Antsiranana, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora. Lehilahy iray voalaza fa mpiandry fonja no voalaza fa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka vokatry ny fikasihany tanana ny ben’ny tanàna iray any an- toerana. “Nasian’ilay lehilahy totohondry ilay olom-boafidy ka tezitra ireo mponina”, hoy ny loha-ranom-baovao avy any an-toerana.

Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo zandary nifehy ny zava-nisy rehefa nahita ity tranga ity. Nosamborina ilay voarohirohy ary voatazona vonjimaika atao famotorana ao amin’ny tobin’ny zandarimaria any Antsiranana. Nilamina ireo mponina, taorian’izay. Raha tsy misy ny mety ho fitohizan’ny famotorana dia hatolotra ny Fitsarana, anio, io voarohirohy io, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana.