Tapatapany Tranga samihafa

Harom-paosy

Samy raharaha harom-paosy avokoa no nitondrana ny tovolahy roa, 14 sy 21 taona, teny amin’ny biraon’ny pôlisy eny Antaninandro, ny zoma sy sabotsy lasa teo.Voasambotra teny Ambodivona nanendaka lehilahy lehibe ny lehilahy iray voalohany, tamin’ny zoma. Teny Ankadindramamy kosa no nahatraran’ny pôlisy ny faharoa, ny ampitson’io.