Sosialy Tapatapany

Finoana Katôlika

Niala teto Antananarivo, omaly maraina ny nofo mangatsiakan’ i Evekan’i Mahajanga Mgr Rakotondrajao Victor Solo, taorian’ny Sorona Masina fanaovam-belona sy ho fialan-tsasatry ny fanahiny tao amin’ny Ekar Antanimena-Antananarivo. Ny zoma 9 novambra ho avy izao no hanaovana ny fandevenana azy any amin’ny Katedraly Mahajanga. Raha tsiahivina dia nodimandry ny sabotsy 3 novambra lasa teo, teto Antananarivo, teo amin’ny faha-58 taonany i Mgr Rakotondrajao Victor Solo, rehefa notsaboina tao amin’ny Clinique des sœurs Ankadifotsy.