Sosialy Tapatapany

Fidiran’ny mpianatra

Nanomboka ny taom-pianarana 2018-2019, omaly ny ankamaroan’ireo sekoly Katôlika teto an-drenivohitra toy ny teny amin’ny Saint-François Xavier sy ny Fo Masin’
i Jesoa Tsaramasay. Ny sasany kosa ny 8 novambra ho avy izao mihitsy vao hiditra mianatra ny mpianatra noho ny fisian’ny fifidianana rahampitso, mba hisorohana ny fahatapahan’ny fampianarana sahady. Efa ho tapa-bolana kosa izao ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina no efa nianatra raha ny 19 novambra ho avy izao ireo sekolim-panjakana.Miankina amin’ny fikaonan-doham-pirenena ataon’ny mpampianatra manerana ny Nosy ny 13 sy ny 14 novambra ho avy izao kosa no hamaritra io fidirana io.