Raharaham-pirenena

FAKAN-KEVITRA Mifandimby mihaona amin’ireo kandidà ireo mpanara-maso vahiny

Mitsapa ny halalin’ny rano. Nanomboka nanatanteraka fihaonana manokana amin’ireo kandidà sasany hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny iraisam-pirenena.

Ravalomanana Marc no isan’ireo nihaona tamin’ izy ireo voalohany, teny Faravohitra, omaly. Tsy nisy nipika ny resaka. Azo heverina ho nifototra tamin’ny fanadihadiana momba an’ireo lesoka mety hiteraka olana eo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena, rahampitso, ny adihevitra.

Voalaza fa isan’ireo niresaka tamin’ireto vahiny ireto ihany koa ny Filoha teo aloha ny amiraly Ratsiraka Didier. Mbola hitohy ny fihaonan’ izy ireo amin’ireo kandidà hafa.