Tapatapany Tranga samihafa

Fahatrarana olon-dratsy

Voasambotry ny olona ity lehilahy voatondro ho nanafika trano iray teny Analamahitsy, omaly hariva. Efa-dahy izy ireo no fantatra fa niaraka nanao ny asa ratsy. Nandrahona ny tompon-trano ireo jiolahy saingy voatohitra. Tafaporitsaka ny telo ambiny. Voalaza fa efa natolotra ny pôlisy ilay voasambotra.