Samihafa

KITRA – «TELMA COUPE DE MADAGASCAR» Hihaona fanintelony amin’ny famaranana ny Elgeco Plus sy AS Adema

Zary efa lasa mahazatra na klasika eo amin’ny lalao famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ny fifanandrinana eo amin’ny Elgeco Plus sy ny AS Adema. Hifandona fanintelony eo amin’io lalao io izy ireo, rahampitso eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, taorian’ny tamin’ny taona 2013 sy 2014, tany Mahajanga. Tamin’ireo lalao roa voalohany ireo dia voahosotra ho tompon’ny amboara hatrany ny Elgeco Plus. Tamin’ny taona 2013 dia mbola niaraka tamin’ny AS Saint-Michel izy ireo.

Taorian’io dia tsy nety nahazo anaram-boninahitra intsony ity ekipa ity. Toy izany tamin’ny taona 2016, izay nanilihan’ny Cnaps Sport Itasy azy teo amin’ny lalao famaranana.

Teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga ihany koa dia nihaona tamin’ny lalao mandroso sy miverina ireto ekipa roa ireto. Nisaraka ady sahala (2 – 2) ny roa tonta amin’ny lalao voalohany, raha tafavoaka ho mpandresy tamin’ny isa 1 noho 0 kosa ny Elgeco Plus tamin’ny faharoa. Ara-taratasy izany dia manana tombony ny tompondakan’Analamanga, raha miohatra amin’ny ekipan’ny seranam-piaramanidina Ivato. Fotoana iray hoentin’ny AS Adema mandiso izany anefa, rahampitso.