Kolontsaina

« Rock sy ny revintsika » Voahosotra ho “Miss & Mister” i Haritra sy Malalatiana

Fihaonana roa hafa kely. Nanakoako, tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny « Rock sy ny revintsika », izay niarahana tamin’ny tarika Roova, tamin’ny sabotsy lasa teo. Tsy ambaka an’izany sady nandravaka ny fihaonana ihany koa ny fanolorana ny valin’ny fifaninanana « Miss & Mister Rock » ho an’ny taona 2021. Norombahin-dRanaivosolo Haritra teo amin’ny “Miss” ary i Nomenjanahary Herinantenaina Malalatiana teo amin’ny “Mister”. Ankoatra ny fanasongadinana ny hatsarantarehy amam-bika dia nanamafy ny tarika Roova fa efa miketriketrika ny fihaonana nanaraka sahady izy ireo.

Folakandro feno fifampizarana no azo hamintinana ny hetsika tamin’ny sabotsy lasa teo. Nisongadina tanteraka ny tontolon’ny fahaizana milatro, ny hatsaran-tarehy, lamaody indrindra fa ny hirahira. Tsy mozika ihany ny rock fa tena fiainana mihitsy, raha ny nambaran’ny olona tonga nanotrona. Niisa iraika amby roapolo ireo nifaninanana niatrika ny famaranana tamin’ity fifidianana izay mendrika tamin’ ny “Rock 2021” ity, ka efatra ambin’ny folo ny vehivavy, raha fito ny lehilahy. Nifandimby niaka-tsehatra nampiseho ny talentany izy iraika amby roapolo mianadahy ireo. Lohahevitra voalohany tamin’izany ny fianjaika tsotra fitondra andavanandro sy ny fianjaikana mpihira nankafizina indrindra, izay nalaina tahaka ary ny fianjaika fitondra milanonana. Izay tsy miala amin’ny tontolon’ny rock hatrany.  Teo amin’ny mozika kosa, nampitondraina ny lohahevitra « Rock sy ny revintsika » ny fihaonana. Ny mozika Disco-rock no nentin’ny tarika Roova nanafana ny fotoana, izay niangaliany an’ireo hira rehetra nahafantarana azy, toy ny “Ny ranomasoko”, ny “Tsy anjara”, ny “Mitonantonana” sy ireo mozika anatin’ ilay kapila mangirana izay vao tsy ela akory izay no nivoahany. Nafana, araka izany, ny fiarahana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao