Samihafa

Fisongonana nitera-doza Dimy lahy mpandeha taksiborosy maty tsy tra-drano

Namoy ny ainy teo no ho eo ny lehilahy dimy anisan’ ireo mpandeha tao amin’ny taksiborosy marika “Mercedes Sprinter” nivadika tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, tany Sandrakely hihazo an’Ihosy, tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Ankoatra azy ireo, olona efatra ambin’ny folo, miandahy miambavy ary ankizy no naratra. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina no nitrangan’ny loza.

Nidina teny an-toerana nanao ny angom-bao avy hatrany ireo zandary avy eny Andonaka. Nitohy ny ampitso maraina (Naotin’ny fanoratana: sabotsy) ny fizahana. Nianatsimo ity fiara fitateram-bahoaka. Niray lalana taminy kamiao iray nikasa haka omby any Sakaraha.

“Nisongona an’io kamiao io ilay taksiborosy saingy tsy nahavita izany noho ny fisiana dongona teo amin’ny arabe. Niala an’iny dongona iny izy ka nikasoka tamin’ny ilany havian’ny kamiao. Tafavoaka ny lalana iry fiara marika “Mercedes Sprinter” ka nivadika ambony ambany teo amin’ny tatatra. Voamarina ny fisian’ny fandehanana mafy nataon’ity farany”, hoy ny zandary nanao ny fitsirihina.

Nipitika avy tao anaty fiara ireo mpandeha dimy ka maty tsy tra-drano. Nisy tamin’izy ireo no nitontona teny amin’ny dimy metatra miala ny fiara. Ny roa lasa teo anelanelan’ny vy fasiana entana izay nipitika avy teny amin’ny fiara ihany koa. Mpihavana nikasa hamonjy tsena sy hividy omby any Ihosy ny telo tamin’izy dimy lahy ireo.

Anisan’ireo naratra mafy ny mpamilin’ny taksiborosy ary vaky loha mihitsy ny mpamily mpanampy. Voa ihany koa ny lehilahy iray tao amin’ny kamiao. Ny mpamily nitondra ity farany no voatazon’ny zandary vonjimaika atao famotorana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao