Nivoaka tamin’ny herinandro lasa teo ny fiantsoana an’ireo kandidà maniry ny hisolo tena ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Voafaritra ao anatin’izany avokoa ireo fepetra rehetra takiana amin’ireo kandidà ireo. Anio amin’ny 11 ora no hifarana tanteraka ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan’ireo kandidà amin’ny fifidianana izany solontenan’ny HCC iray ao amin’ny Ceni ity.
Hanome hevitra