Tranga samihafa

Fanoherana rindran-damina Mpitondra môtô namaky sakana teny Mahamasina

Nohitsian’ny môtô iray nentina lehilahy ny sakana nataon’ireo mpitandro filaminana teny Mahamasina mihazo ny CEG Antanimbarinandriana, tamin’ny alin’ny lalao baolina kitra nifandonan’ny Barea sy Bénin, tamin’ny alakamisy lasa teo. Nisy vy napetraka anefa teo amin’ilay barazy ka nianjera naratra mafy tamin’izany ilay mpitaingina môtô. “Nirimorimo nandeha mafy avy any Amparibe ilay môtô nihazo iny lalana manamorona ny tambohon’ny sekoly Sainte-Famille sy ny CEG Antanimbarinandriana iny. Nisy sakana nataonay teo. Nasaina nijanona ilay môtô saingy nanohy hatrany ka nidona tamin’ireo vy izy. Naratra mafy ny lehilahy nitondra ilay kodiaran-droa. Novonjena naterina tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy fantatra izay niafarany hatreto na maty na velona. Karohina io lehilahy io amin’izao”, hoy ny mpitandro filaminana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao