Tranga samihafa

Famotsiana omby sy kolikoly  Manao bemidina ireo lehiben’ny zandary

Nanome baiko hentitra ireo lehiben’ny zandarimaria rehetra manerana ny Nosy ny jeneraly Gellé Serge, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) amin’ny paikady hiadiana amin’ny halatr’omby. Nidina ifotony avokoa, vokatr’izany, ny lehiben’ny zandary manentana ireo delege sy mpisehatra amin’ny omby nanomboka tamin’iny herinandro iny. “Hamafisonareo tsara fa tsy tokony hanome FIB na karapanondro milaza ny momba omby ny delege raha tsy mahita ny bokin’omby ara-dalàna mba tsy hahalafo ny omby halatra. Raha tsy mazava aminareo ny toromarika dia antsoy mivantana aho”, hoy ny toromarika an-tsoratra nalefan’ny SEG any amin’ireo lehiben’ny mpifehy ny zandarimaria hatrany amin’ny distrika. Manana traikefa manokana amin’ny ady amin’ny famotsiana omby halatra sy ny ady amin’ny famotsiana basy efa nogiazana ny jeneraly Gellé Serge. “Tsy voatery hiady sy hifamono ny mpitandro filaminana sy ny mpangalatr’omby. Misy ny vahaolana azo hatao ary efa miroso amin’izany isika izao dia ny tagnamaro hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny omby angalarin’ny dahalo tsy manidina mankany ivelan’i Madagasikara fa eto amintsika ihany. Noho izany, rehefa mafy ny fisorohana sy ny ady amin’ny famotsiana ireny omby halatra ireny dia ho foana ho azy na hihena be ny halatr’omby”, hoy itsy tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Zandarimaria itsy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao