Niitatra sy nandoro tanàna ny afo tamina tanety nirehitra tany amin’ny fokontany Analatsifaka, kaominina Tsiroanomandidy Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy, afak’omaly antoandro. Vokany, kila forehitra ny trano enimpolo tafo ka simba ny ankamaroan’ny entana. Nieren-doza kosa ny mponina raha nisy ihany ny naratra. Manodidina ny dimampolo sy telonjato ireo tra-boina. Niditra an-tsehatra nanao ny fanadihadiana tamin’io fahamaizana tanàna io ny mpitandro filaminana. Teo no nahitana fa noho ny tsy fitandremana no nahatonga ny loza. Noho ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra, dia nahakasika trano tafo bozaka iray ny afo nandoro ny tanety. Nikoropaka nifamonjy ny iray tanàna sy ireo teo amin’ny manodidina. Naharitra ora iray teo ny firehetana. Tamin’alahelo sy ranomaso avy eo no nahitana ny fananana rava. Anisan’ireo may lasa lavenona ny vary, sakafo, fitafiana, lamba firakotra, fitaovana an-dakozia, vola, fitaovampianarana, biby fiompy madinika, taratasy maro momba ny olona sy ny omby. Nidina tany an-toerana nijery ny zava-nisy sy nihaino ny fitarainan’ireo tra-boina ny tompon’andraikipanjakana avy any Tsiaroanomandidy.
Hanome hevitra