Fanatanjahantena

Baolina kitra – Ekipam-pirenena Mpilalaon’ny Barea iray ahiana ho voan’ny Covid-19

Fingampingana sa tena marina? Nanaitra ny maro ny fanambaràna nataon’ny pejin’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra tao amin’ny tambajotra sosialy Facebook, ny amin’ ny fisian’ny mpilalao iray ahiana mitondra ny tsimokaretin’ny Covid-19, tany Tanzanie. “Nisy fitiliana PCR natao an’ireo delegasiona manontolo teto Antananarivo, talohan’ny niaingana nankany Tanzanie ka niiba avokoa ny valiny. Indrisy anefa, nony tonga tao amin’ ny seranam-piaramanidin’i Dar Es Salam dia nisy mpilalao iray voatily miabo tamin’ny alalan’ ny TDR fa mitondra io tsimokaretina io”, raha adika ny fanambaràna navoakan’ny FMF. Mikombom-bava tsy manonona ny anaran’ilay mpilalao ity rafitra ity sy ireo delegasiona any an-toerana.

Efa fanao amin’ny lalao goavana toy izao rahateo ny fisian’ny fingampingana hoentina mandresy ny mpifanandrina amin’ny tena. Niatrika indray ny fitiliana PCR ireo mpilalao sy ny delegasiona rehetra, omaly, ary miandry ny valin’izany ny rehetra anio.

Hotanterahina any amin’ ny Benjamin Mkapa Stadium, kianja mahazaka olona enina alina, ny lalao hihaonantsika amin’izy ireo, amin’ny talata ho avy izao. Mpilalao valo amby roapolo no nanainga niaraka tamin’ireo teknisiana sy ireo mpitarika ny delegasiona ny marainan’ny alahady, tamin’ ny 2 ora 20. Fiaramanidina manokana, avy amin’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Seychelles no nitondra azy ireo hiatrika ny andro faharoa amin’ny fikatsahana tapakila hoentina miandy ny amboara manerantany any Qatar na ny “Mondial 2022”.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao