Kolontsaina

Hay sy kolo teny Hankalazaina amin’ny fomba hafa ny « Herinandron’ny kabary »

Hotontosaina amin’ny 9 – 15 aogositra 2020 ny « Herinandron’ny kabary », fihaonana fanaon’ny Fikambanana mpikabary malagasy na ny Fimpima. Amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisan-davitra (Zoom sy Facebook) no hanarahan’ny rehetra ny hetsika, araka ny nampitain’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fimpima. Manomboka amin’ny alahady 9 aogositra ho avy izao amin’ny 4 ora tolakandro ny fanokafana ny sehatra. Asain’ny mpikarakara ny rehetra hijery ny seho kanto hataon’ny isam-paritany, ny alatsinainy 10 aogositra ka hatramin’ny zoma 14 aogositra, isaky ny amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 9 ora alina. Hisy ny lalao isan-karazany hahazoana fanomezana. Ny tontolo andro kosa hanaovana ny fampirantiana, kabary, ohabolana ary hainteny. Atrikasa fampianarana ho an’ny mpampianatra kabary kosa ny hotanterahina  amin’ny sabotsy 15 aogositra 2020. Tokony ho any Antsirabe no hanatontosana ny « Herinandron’ny kabary », raha ny fandaharam-potoana efa nomanina saingy tsy ho tanteraka izany, noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19 sy ireo fepetra tsy maintsy hajaina hoenti-miady aminy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao