Tranga samihafa

Voina tetsy Antaninarenina Vazaha nianjera avy eny ambony rihana

Nanokatra fanadihadiana momba ny fahafatesana lehilahy teratany vahiny voalaza fa nianjera avy teny ambony rihana, tao amina toerana fandriam-bahiny iray, teny Antaninarenina ny polisy ao amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava (BC).

«Mety ho vono olona na voina tampoka no nampian­jera an’ilay lehilahy. Hatao aloha ny famotorana. Misy ny olona ilaina amin’izany. Anontaniana ny vavolombelona sy ny tao amin’ny toerana nisehoan’ny loza », araka ny nambaran’ny mpanao famotorana. Ny valin’ny fanadi­hadiana ihany anefa no hahafan­tarana ny tena zava-niseho marina. Maty tsy tra-drano io lehilahy, roa amby enimpolo taona, teratany vahiny nandalo tao amin’ity toerana fandraisam-bahiny, teny Antaninarenina ity io.