Tapatapany Tranga samihafa

Fahafatesana mpivahiny

Niafara tamin’ny fahafatesana ny fivahinianan’ny lehilahy iray tany Antsipahy-Ambolatera any Antsalova, afak’omaly,
rehefa niantefan’ny bala enina ny vatany, araka ny loharanom-baovao. Ahiana ho tohin’ny ady nisy teo amin’ity namoy ny ainy sy ny lehilahy iray noho ny olana teo amin’ny omby very tamin’ny taon-dasa no nahatonga izao famonoana olona izao.