Raharaham-pirenena

Ady amin’ny kolikoly An-dalam-pifantenana ny tale jeneralin’ny Bianco ny Filoha

Saro-piterahana. Tsy vita hatramin’izao ny fanendrena ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Nandra­sana nandritra ny Filankevitry ny minisitra farany teo io fanendrena io satria iray volana izao no fantatra fa nanoloran’ny Komity mian­draikitra ny fahitsiana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika (Csi) an’ireo anarana telo tokony hisafidianan’
ny Filohan’ny Repoblika.

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramonjavelo Valery fa: “tokony tsy ho ela intsony ilay fanendrena”.
“Tsy mbola vita ny sivana sy ny fifantenana ataon’ny Filohan’ny Repoblika”, hoy izyHeno fa anarana roa sisa no hisafidian’ny Filoha
mialoha an’izany fanendrena izany. Tamin’ny 24 jona 2019 no efa nametra-pialana teo amin’ny toerany ny tale jene­ralin’ny Bianco teo aloha, Andriamidy Jean Louis.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra