Tapatapany Tranga samihafa

Fisorohana disadisa

Hohamafisina ny fiarovana ny HCCsy ny Ceni, mba ho fisorohana izay mety ho zava-mitranga rehetra taorian’ireo disadisa miseho any amin’ny faritra, amin’izao vanim-potoana fiandrasana ny valim-pifidianana solombavam- bahoaka izao. Mpitandro filaminana roapolo mahery avy ao amin’ny Hery vonjy taitra no hanatevin-daharana an’ireo mpiambina efa eny an-toerana.