Raharaham-pirenena

Fifidianana tany Amoron’i Mania Mitaky ny mangarahara ny ankamaroan’ireo kandidà

Ahiana ny hisian’ny savorovoro taorian’ny fifidianana. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny ankamaroan’ireo kandidà nirotsaka tamin’ny fifidianana depiote, ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Ny talata teo, ohatra, dia naneho ny hatezerany manoloana ny voalaza fa fikasana kandidà sasany hikotrika famerenana ny latsa-bato tao amin’ny distrikan’i Fandriana ireo mpomba ny kandidà Hasimpirenena Rasolomampionona. Nambaran’izy ireo fa ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana irery no afaka manapa-kevitra momba izany. Takin’ny mpanara-dia an’ity kandidà ity ihany koa ny fahazoana ny fahafahana vonjimaika ho an’io kandidà mitarika ny laharana voalohany ao Fandriana io.
An-kilan’izay, manahy mafy amin’ny mety ho fisiana hosoka tamin’ny latsa-bato tamin’ny fifidianana depiote tao amin’ny distrikan’Ambositra ny kandidà Andrianirina Onjanantenaina Davidson.