Sosialy Tapatapany

Zon’ny mpanjifa

Kianin’ny rodoben’ny sampana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny fanapahan-kevitra maika tamin’ny firosoan’ireo mpitatitra avy hatrany tamin’ny fitokonana satria ireo mpanjifa ihany no lasibatra voalohany. Nambaran’izy ireo fa efa nahazo fanampiana ny mpitatitra ary efa nidina ny vidin’ny solika, ka mila manohy ny asany hatrany izy ireo.