Mampahafantatra an’ireo firenena rehetra ireo sampana ao amin’ny Firenena mikambana miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena mikasika ny fiantraikan’ny fikatonan’ireo sekoly amin’ny fanabeazana sy ny fivelaran’ny ankizy. Toy ny misy fanerena ankolaka amin’ny famerenana fanokafana ny toeram-pianarana ny fanambaràna nataon’izy ireo momba izany, omaly, na dia miverina matetika aza ny fitakiana ny fametrahana an’ireo fepetra arapahasalamana ho fiarovana ny fifindran’ny valanaretina coronavirus eo amin’ireo ankizy mpianatra.
Hanome hevitra