Samihafa Tapatapany

Fanemorana hetsika 

Ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny hetsika « foara iraisam-pirenena eto Madagasikara » (FIM), noho ny fanohizana ny fepetra fihibohana hatramin’ny 17 mey 2020, izay daty tokony hanatanterahana an’io foara io. Miankina amin’ny fepetra vaovao horaisin’ny fitondram-panjakana kosa ny famaritana ny daty vaovao. Miankina amin’izany koa ny fanatontosana ny tsenabe natokana ho an’ny hay taotrano voatondro hatao amin’ny 11 jona 2020 ho avy izao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra