Sosialy Tapatapany

Fanadinana BEPC

Nanomboka, afak’omaly, ny famolavolana ny laza adina Bepc ho an’ity taompianarana 2020 ity manerana ny Nosy. Ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina sy ny mpampianatra avy amin’ny fanjakana ary solontena avy amin’ireo fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no mandray anjara amin’izany. Amin’ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay 2020 no tokony hanatontosana ny fanadinana Bepc, araka ny tetiandro voafaritra.