Tranga samihafa

Hetraketraky ny jiolahy Raim-pianakaviana voafira famaky teo imason-janany

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, any Berano Ville, distrikan’Amboasary Atsimo. Tranga niseho, tamin’ny alakamisy lasa teo, ny fanafihana trano iray. Naratra mafy voafira famaky teo imason-janany ny lehilahy, 46 taona. Efatra andro taty aoriana izy vao nahatsiaro tena ary efa mihatsara ny fahasalamany. “Jiolahy fito no nanafika. Nirongo basy ary olona eo an-tanàna ihany ny telo tamin’izy ireo. Nokendren’izy ireo sy notakiany manokana ny vola 7 tapitrisa ariary, izay vao azony tamina tetikasa iray, tamin’ny febroary lasa teo”, hoy ny fitantaran’ireo niharam-boina. Afaka nandositra sy niafina tany anaty raketa niaraka tamin’ny volabe ny renimpianakaviana. Novonoin’ireo jiolahy ary noheverina fa maty ny raim-pianakaviana. Fantatra fa efa nisy ny olona voasambotra tamin’izao fanafihana izao. “Nisy fanafihan-dahalo hafa niseho taty Berano Ville, ny ampitso (Naotin’ny fanoratana: zoma 2 avrily). Omby dimampolo no voaroba tamin’ izany ary olona iray no namoy ny ainy. Manaitra ny tompon’andraikitra mba hijery manokana ny faritra misy anay. Tsy misy mpitandro ny filaminana rahateo aty aminay”, hoy ny olona any an-toerana.