Tranga samihafa

Fanafihana Rangahy nanohitra jiolahy tao an-tranony

Tsy nanaiky mora satria nanohitra hatramin’ny farany an’ireo jiolahy enina nanafika tao an-tranony ny lehilahy iray, manodidina ny 70 taona, tany Marovato Andapa, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Naratra vokatr’izany izy. Nirifatra nandositra rehefa nirohotan’ny fokonolona ireo olon-dratsy. Tsy voaroba ny fitoeram-bola nokendren’iretsy farany. Mpandraharaha ara-barotra itsy lasibatry ny fanafihana itsy. Nandà sady tsy nilaza tamin’ireo jiolahy hatramin’ny farany ny toerana misy ny fanalahidin’ny vata fitoeram-bolany izy. Namaky an-keriny an’ilay vata ireo mpanafika. Nanaitra ny mpiara-monina ny tabataba naterak’izany sy ny fifandonana tao an-trano. Nifarimbona ny olona teo amin’ny manodidina nitondra famonjena an’ity trano voatafika ity. Nisy ny tora-bato variraraka natao tamin’ny tafon-trano hanairana an’ireo andian-jiolahy tao anatiny. Nirifatra nandositra ihany ireo mpanafika avy eo, saingy lasan’izy ireo ny basin’ny tompon-trano. Novonjena haingana teny amin’ny hopitaly, taorian’izay, ilay zokiolona naratra.