Tranga samihafa

Akon’ny fetin’ny paka Zaza 4 taona tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo

Nahitana zaza iray, 4 taona, niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tamin’ireo marary dimy amby dimampolo nilàna vonjy teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), tamin’ny alahadin’ny Paska lasa teo. Telo ambin’ny folo kosa ireo marary tonga teny amin’ity hopitaly lehibe ity, ny tapak’andro marainan’ny omaly. Samy nandray marary toy ny mahazatra ny sampana vonjy aina sy ny sampana famelomana aina eny amin’ny HJRA. Somary niakatra ny isan’ny marary tonga teny, tamin’iny fetin’ny Paska iny, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay niisa sivy amby telopolo. “Ny enina tamin’ireo marary sivy amby dimampolo tonga no voatery notazonina manaraka fitsaboana. Niharan’ny lozampifamoivoizana ny olona sivy ambin’ny folo. Vokatry ny adiady kosa ny an’ireo enina ambin’ny folo ary fito narary noho ny loza niseho tany an-trano. Marary tsotra ny ambiny. Tsy maintsy najanona hanaraka fitsaboana ilay zaza tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Tsy mbola fantatra mazava ny sakafo nohaniny ka nankarary azy”, hoy ny profesora Rakoto Alson Aimée Olivat, talen’ny HJRA.